• TSY HO ADINOIKO…

    Aoka fa tsy ho hadinoiko...

    Ireo tantara efa vita...

    Eny mbola ho kaloiko...

    Ary mbola ho ampita...


    Reo sangisangy nifanaovana

    Ireo adiady efa nisy

    Toa ireny no fitaovana

    Ankehitriny nefa indrisy...


    Eny tantara sisa

    Tantara tsy ho voavisavisa

    Tantara mahonena.

    Nefa izany no mbola

    Hanoloran-tena


    Taona vitsy izay

    Taona nahafanina

    Taona nahamay

    Tsy nahateloman-kanina


    Lasa lesy ialahy...

    Dia ho totofan-drangolahy

    Eh! Anjaranay ny sisa...

    Fa ny an'lah efa paradisa


    Mandria am-piadànana lesy

    Fa ny anay mbola ho avy

    Tsy ho voarefy

     

    FANHAIKY


    Tags Tags: , , , ,
  • Comments

    1
    Wednesday 8th April 2009 at 22:16
    mandalo tokoa izany fiainana.
    ary fohy ny andro iainana!
    Suivre le flux RSS des commentaires


    Add comment

    Name / User name:

    E-mail (optional):

    Website (optional):

    Comment: