• IREO POETA

    IREO POETA

    Moa ireo poeta,tsy mba manam-pifaliana

    Sa ireo poeta, mpametsovetso ny haratsiana

    Moa ireo poeta, mba manam-ptiavana

    Sa ireo poeta, mpamisavisa hasambarana

     

    Moa ireo poeta, tsy mba manan’olon-tiana

    Sa ireo poeta, mpamoaka ny haratsiana

    Moa ireo poeta, tsy mba manam-paharetana

    Sa ireo poeta , mpanaitra ny hatezerana

     

    Moa ireo poeta , tsy mba manana toloko

    Sa ireo poeta, manery ny olona hohoko

    Moa ireo poeta, tsy mba manana eritreritra

    Sa ireo poeta, mpanaitra ny maro mba hihetsika

     

    Tsy iza ny poeta , fa olon-tsotra ihany

    Tsy iza izy ireo fa mpandefa ny vinanay

    Tsy iza izy ireo , fa olona mpandalina

    Tsy iza izy ireo fa mpandefa saina lalina

    AINA


    Tags Tags: , , ,
  • Comments

    1
    Wednesday 8th April 2009 at 22:15
    Misaotra Aina a!
    Suivre le flux RSS des commentaires


    Add comment

    Name / User name:

    E-mail (optional):

    Website (optional):

    Comment: