• HO ANAO RY NENY

    HO ANAO RY NENY

     

    Tsy tononkalo, na koa hainteny

    Tsy hirahira, na koa rindran-teny

    No hanehoako ny Fitiavako anao

    F’ilay toetra tsara nambolenao

    Ao anatiko ao

    No hany fanomezan-tsarobidy

    Atolotro ho anao

     

    Neny,

    Reo teny maminao,

    Reo tambitambitanao,

    Reo tonom-bavakao,

    Ampombanao ahy

    Mavesa-danja, ireny

    Ka hahatsiarovako anao

    Amin’izay lalana halehako

    Ka ho reherehako

     

    Neny

    Anio, no hanehoako

    Amin’ny mpiara-belona amiko

    Lay FAHENDRENA soa

    Nokoloinao tato anatiko

    Ka ho asandratro tokoa ;

    Mba ho reharehanao

    RY NENY TIAKO

     

    (Ho tahian’Andriamanitra ianao Ry Neny tsy Foiko)

    Fanhaiky 29 Mai 2009


    Tags Tags: , , , ,
  • Comments

    No comments yet

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Add comment

    Name / User name:

    E-mail (optional):

    Website (optional):

    Comment: