• soratra

    Hanoratra aho mba hizara

    Izay rehetra azoko ambara

    na ny ratsy na ny soa

    dia mbola ho vetsoiko ihany koa

     

    hanoratra mba hankato

    lay misterin’ny haisoratra

    dia ilay mitoetra tsy ho lo

    fa hijanona ho soratra

     

    hanoratra aho mba hamboraka

    ireo tebiteby ato anaty

    hanoratra mangina tsy hihorakoraka

    fa hamoaka an-tsoratra ireo izay tsy taty

     

    eny ho soratro izany, ho soratro ihany

    mba hahatsiarovanao fa hay koa

    misy namana any ho any

    dia ilay Fanhaiky sary mitomany

    Fanha

    Fanhaiky 19 Janvier 2010



    your comment
  • Ianao no tara-masoandro vaovao,
    Nitondra hazavana ao anatiko ao,
    Izaho izay tanaty haizim-pahakiviana,
    Nefa nasandratrao ho @ hafaliana

    Eh, soa aho fa nahalala anao
    Ianao tokoa no nitondra tontolo vaovao
    Aina nahalena ny tany efa maina
    Ka nampitsiry indray ny efa ambivitr'aina

    Ataoko hoe: rivotra malefaka
    Nampitraka ny foko efa ketraka
    Ny hany avaliko, dia tsotra
    Fisaorana anaty, tsy atendromolotra

    SATRIA NAMAKO IANAO

    FANHAIKY 22 SEPT 2009 

    Am-pitiavana be foana 

     

    Jereo koa ato!!!


    your comment
  • HO ANAO RY NENY

     

    Tsy tononkalo, na koa hainteny

    Tsy hirahira, na koa rindran-teny

    No hanehoako ny Fitiavako anao

    F’ilay toetra tsara nambolenao

    Ao anatiko ao

    No hany fanomezan-tsarobidy

    Atolotro ho anao

     

    Neny,

    Reo teny maminao,

    Reo tambitambitanao,

    Reo tonom-bavakao,

    Ampombanao ahy

    Mavesa-danja, ireny

    Ka hahatsiarovako anao

    Amin’izay lalana halehako

    Ka ho reherehako

     

    Neny

    Anio, no hanehoako

    Amin’ny mpiara-belona amiko

    Lay FAHENDRENA soa

    Nokoloinao tato anatiko

    Ka ho asandratro tokoa ;

    Mba ho reharehanao

    RY NENY TIAKO

     

    (Ho tahian’Andriamanitra ianao Ry Neny tsy Foiko)

    Fanhaiky 29 Mai 2009


    your comment
  • Anio tokoa, lay hany vanin'andro

    Ahatsiarovako ny nahitako ty masoandro

    Tonga teto tsy tamin-tsitra-po

    Fa tonga teto noho ny fitiavan'olon-droa


    Tonga teto koa, noho ny anjara

    Mba alahatra ho anatin'ny tantara

    Dia tantara tsy haiko fiandohana

    Ary mbola mistery fiafarana


    Taona maro lasa izay

    Nandalovam-pifaliana

    Fisedrana mahamay

    Tanaty fitomaniana

    Dia nisolo tsiky, hehy indray


    Soa anefa fa mbola teo ilay Nahary

    Naneho ny Fitiavany, ny Voninahiny hatrany

    Ka isaoarako Azy, amin'ny fomba ts'isy fetra

    Ka mbola ankiniko Aminy hatrany

    Ny amiko rehetra


    FANHAIKY 07 mai ....07 mai 2009


    your comment
  • Aoka fa tsy ho hadinoiko...

    Ireo tantara efa vita...

    Eny mbola ho kaloiko...

    Ary mbola ho ampita...


    Reo sangisangy nifanaovana

    Ireo adiady efa nisy

    Toa ireny no fitaovana

    Ankehitriny nefa indrisy...


    Eny tantara sisa

    Tantara tsy ho voavisavisa

    Tantara mahonena.

    Nefa izany no mbola

    Hanoloran-tena


    Taona vitsy izay

    Taona nahafanina

    Taona nahamay

    Tsy nahateloman-kanina


    Lasa lesy ialahy...

    Dia ho totofan-drangolahy

    Eh! Anjaranay ny sisa...

    Fa ny an'lah efa paradisa


    Mandria am-piadànana lesy

    Fa ny anay mbola ho avy

    Tsy ho voarefy

     

    FANHAIKY


    1 comment



    Follow articles RSS
    Follow comments' RSS flux